"Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao,dia hiadana;izany no hahatongavan'ny soa aminao"(Joba 22:21)

MITOKANA !FANTARO NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA NOMEN’I KRISTY ANAO OLONY

Masina eo anatrehan'i Kristy ianao satria tia mitokana mivavaka sy mihaino Azy
« Amin'ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an'i Jehovah izy. » (Nomery 6:8)
Hiteraka fanomezam-pahasoavana mba hampandroso ny fanjakany izany
« Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26)

MIVONONA HO MPANOMPO HITONDRA FANOVANA!!!
MAHEREZA.

SAHIA HO IRAK’I KRISTY HANAO “MISSION IMPOSSIBLE”

Mandehana fa ny Tompo no maniraka anao eo anoloan'ny zava-tsarotra
« Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo ampovoan'ny amboadia. » (Lioka 10:3)
Izy ao anatinao no hiatrika ny zava-drehetra fa ianao ho fitaovana ihany
« Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo. » (Matio 10:19-20)
MINOA DIA HO TSAPANAO HATRAIZA IZANY HOE:”ANDRIAMANITRA MAHAGAGA!”
MAHEREZA.

HANDRAY AN-TANANA NY TANANANAO OLONY KRISTY

Izay tanàna nandray ny Tenin'ny Tompo dia mba handray ny Fanahy Masina koa
« Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 8:14-15)
Vokatr'izany? Ho resy i satana izay nampahory ny mponina tao
« Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy! » (Ezekiela 26:17)
TONONY FA EFA AN’I KRISTY NY TANANANAO E!
MINOA.

MIARAHA ORY AMIN’IZAY ORY

Raha misy tra-pahoriana dia tokony hifanohana sy hifampahery ny olon'i Kristy
« Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. » (Rota 1:16-17)
vokatr'izany dia ho tahaka ny ony hamelona sy hamonjy Izy
« Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra.Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. » (Salamo 46:4-5)
MATOKIA!
MAHEREZA.

AZA MISALASALA MANOME HO AN’NY TOMPO

Manomeza fankasitrahana ho an'ny Tompo
« Mltenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an'i Jehovah izy araka izay hataonao tombany. » (Levitikosy 27:2)
hitondra voka-tsoa lehibe eo amin'ny hoavinao izany satria anisan'ny mariky ny fankatoavana Azy
« Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. » (Levitikosy 26:3-4)
MATOKIA!
MEHEREZA.
-

HANANGANA TANANA HO AZY KRISTY

Hanokana taranaka sy tanàna ho Azy Kristy
« Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao. » (Isaia 65:9)
Ho tia mifanompo
« Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. » (Jaona 13:14)
hifanonona fiadanana ireo mponina ao aminy
« Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo...»(Matio 10:12-13a)
SAHIA MILAZA:TANANAKO IZANY!
MINOA DIA HIOVA TANTERAKA NY JEROSALEMANAO!!!
MATOKIA!

HANIRAKA OLONA HANAMPY ANAO OLONY KRISTY

Ny Tompo mihitsy no hanokatra lalana mba ho lasa tian'ny mpanampaka ianao olony izay ankasitrahany
« Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela. » (Daniela 1:9)
hiteraka finoana sy fahasahiana ho anao izany
« Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao. » (Daniela 1:13)
MIJOROA MBA HO ANKASITRAHANY HATRANY AN-DANITRA E!
MAHEREZA!

AZA KIVY NA MANDALO ZAVA-TSAROTRA AZA IANAO OLON’I KRISTY

Indraindray Kristy dia te-hampiseho eo imason'ny hafa fa mahazaka fitsapana ny olony
« Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia, » (Isaia 20:3)
mandalo anefa izany fa tsy maintsy havahany ny manompo azy
« Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra. » (Jeremia 52:33)
TSY HANARY ANAO MNDRAKIZAY KRISTY MPAMONJY!
MATOKIA!
MAHEREZA.

MIAVAKA! TENA MIAVAKA KRISTY AO ANATINAO

Ambony noho ny anjely Kristy ao anatinao
« ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. » (Hebreo 1:4)
satria zanak'Andriamanitra
« Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) » (Hebreo 1:5)
ny anjely no miankohoka eo anoloany
« Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). » (Hebreo 1:6)
fitoera-tongony ny fahavalo
« Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) » (Hebreo 1:13)
TSAPANAO IZAY ITOERANY VE IZANY?

HAHITA TSIRONY @ FIARAHANA @ I KRISTY NY HAFA NOHO IANAO OLONY TIA FIHAVANANA

Hihaino sy hiahy anao Kristy
« Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo;..» (Hosea 2:23-24a)
satria mahay miara-miasa am-pifaliana @ ireo olony hafa ianao
« Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, » (Asan'ny Apostoly 2:46)
Ho maro ireo olom-boavonjy vokatr'izany
« nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo. » (Asan'ny Apostoly 2:47)
MAHEREZA.
TOHIZO FA TSARA IZANY E!

HIARO ANAO OLONY @ FOMBANY KRISTY

Ho faizin'Andriamanitra izay mampahory anao olony
« Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao;...» (Zefania 3:19a)
ary hataony am-pitiavana izany
« Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. » (Zefania 3:17)
Hiahy anao Izy sady hanome anao hoavy mamirapiratra
« Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita, » (Amosa 2:10)
MATOKIA!
MAHEREZA.

MATOKIA FA HISY NY VALIM-BAVAKA ASANDRATRAO OLON’I KRISTY

Fitiavana Kristy satria azonao hitarainana sady afaka mangataka ny mba hanafainganany ny fanomezany ny valim-bavaka ianao olony
« Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao. » (Daniela 9:19)
Hamaly Izy
« Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.» (Hosea 2:16-17)
MINOA!DIA TENA HAHITA NY VONINAHINY IANAO!

TSY HAMALY RATSY NY RATSY IANAO OLON’I KRISTY

Na dia hitetika ny hamono anao aza ny hafa
« Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony. » (1 Samoela 23:8)
ianao olon'i Kristy kosa tsy hanao izany aminy
« Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy. » (1 Samoela 24:11)
ary hiaiky izany izy
« ary hoy izy tamin'i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr'i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao. » (1 Samoela 24:18-19)
VITANAO IZANY!
SAHIA.
MAHEREZA.

FIKIRO NY ASA NIANTSOANA ANAO

N'inona n'inona mahazo ny nofonao AZA KIVY rehefa azonao antoka fa tsy
very ny fanahinao

"Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo" (Mat10:28)
tsy ho nenina ny fanohizanao ny asa tsara
ataonao

"Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany." (Mat10:41-42)
TSY HO FOANA NY FINKELEZANAINA AO @ TOMPO E!
MATOKIA!
MAHEREZA.

AZA KIVY!AFAKA MANANTENA AN'I KRISTY IANAO OLONY

Manàna fanantenana fa tsy maintsy ho tanteraka ny teny fikasana
voasoratra

"Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo."(Amosa9:13)
hanaporofo izany @ fombany Kristy ka ho voatahy
manokana ny olony

"Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany dia nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina homena avy amin'ny mpanjakan'i Babylona, araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany mandra-pahafatiny."(Jeremia52:32-34)
MATOKIA!
MAHEREZA.

HAMPISEHO MARIKA HO FANKASITRAHANY ANAO OLONY KRISTY

Hamirapiratry ny fahazavan'i Kristy ny tavanao olony
« Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; ... » (Eksodosy 34:35a)
ho mariky ny famindrampony taminao
« Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; » (Nomery 6:25)
ary ho to-teny eo anatrehan'ny hafa ianao
« Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 34:32)
MINOA,
ARY AMPIASAO AM-PANETRE-TENA IZANY!!!
MAHEREZA.

MATOKIA AN’I KRISTY

Hoy ny Tompo aminao:Henoy Kristy
« Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. » (Marka 9:7)
ho vonjena izay manana faharetana miaraka Aminy
« ... fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. » (Matio 10:22b)
matokia Azy fa tsy misy miafina Aminy ny momba anao
« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. » (Matio 10:30)
MAHEREZA!
ARY HATREO AM-PAHATONIANA NY ZAVATRA REHETRA.

TE-HANASITRANA NY FIAINAN’NY HAFA @ ALALANAO OLONY KRISTY

Voairaka mba hamonjy ny hafa ianao olon'i Kristy
« Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. » (Matio 10:8)
satria efa nahazo fahefana hanao izany
« Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 10:1)
Porofoy fa lehibe ny famindrampon'ny Tompo
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy. » (Salamo 103:11)
MATOKIA DIA HISEHO NY VONINAHINY!!
MAHEREZA.

LEHIBE,TENA LEHIBE KRISTY AO ANATINAO

Kristy anatinao dia:
Masina

« ..., fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany. » (Hebreo 12:10b)
Fahazavana
« ...Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. » (1 Jaona 1:5b)
Tompom-pahefana ety an-tany hatrany an-danitra
« Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; » (Matio 28:18)
Mampiadana sy mampifaly ny fanahinao
« Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. » (Romana 14:17)
TSY MAHATSIARO SAMBATRA VE IANAO MANANA AZY?

ALEO TSY MIVAVAKA RAHA TSY MANAM-PINOANA

Mila mamela heloka isika mba ho voavela koa eo anatrehan'ny Tompo
« Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. » (Marka 11:25)
avy eo afaka miaina am-pinoana avy hatrany ny valim-bavaka izay nangatahana
« Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)
SAROBIDY NY VAVAKA HASANDRATRAO!!!
MATOKIA!
MAHEREZA.

TAFIO KRISTY DIA HIADANA IANAO

Afaka hiatrika ireo sakana ianao satria manaiky hitafy an'i Kristy
« Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. » (Efesiana 6:11)
hiaina eo ambanin'ny fahasoavany satria tia Azy
« Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena. » (Efesiana 6:24)
MINOA DIA HIADANA E!
« Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. » (Efesiana 6:23)
MATOKIA!
MAHEREZA.

TSY HISARAKA AMINAO OLON’I KRISTY NY FANAHY MASINA

Masina ianao olon'i Kristy ary misy rahona miahy anao mandritry ny andro sy afo mandritry ny alina
« Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro. » (Nomery 9:15)
izay mahatonga anao miaina araka ny Fanahy
« mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana » (Romana 8:4-6)

HAJAO ARY NY TOERANA AMBONY AMETRAHANY ANAO!
MAHEREZA.

MAHA-SAMBATRA NY MANOME

Na tsy mangataka aza ianao dia efa fantatry ny Tompo izay ilainao
« Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. » (Matio 6:8)
ho mariky ny fahatokisanao izany dia sahia koa manome
« Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao. » (Matio 5:42)
@ mangingina
« Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao. » (Matio 6:3-4)
MAHEREZA!
MATOKIA.

MIVONONA HO MPANDRESY

Ianao olon'i Kristy dia voatendry hamonjy ny hafa eo anatrehan'ny sakana rehetra
« koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra. » (2 Samoela 3:18)
hatreo am-pinoana izany dia hahita ny faharesen'i satana ianao
« Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay » (Ezekiela 27:36)
KRISTY AO ANATINAO EFA VONONA!
ARY IANAO IZAY HO AMPIASAINY AHOANA?

MIANTSO ANAO OLONY NY TOMPO HANANGANA EKIPA HIASA HO AZY

Soa sy fiambenana ho anao olon'i Kristy ny fifidianana olona hendry miara-manompo
« Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy. » (2 Mpanjaka 12:3)
satria hazoto hivavaka sy hifona ho an'ny hafa ianareo @ izay
« Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. » (Fitomaniana 5:21)

MIVONONA HO FITAOVANA MAHOMBY !
MAHREZA.

MASINA NY FANEKENAO HO IRAK’I KRISTY

Mpitondratenin'i Kristy
« Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa aty, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo. » (Josoa 3:9)
hanao fahagagana @ anarany
« ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra. » (Josoa 3:13)
ary hasandratra ianao satria hanaiky hampiasainy
« Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany. » (Josoa 4:14)
Hahita ny heriny ny hafa
« mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay. » (Josoa 4:24)
AZA MIAHOTRA ARY MIASA @ ANARANY!
MAHEREZA.

MITSANGANA ! MIJOROA !HO MIARAMILAN’I KRISTY

Rombaho ny fanjakan'ny lanitra
« Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny. » (Matio 11:12)
mijoroa ho mpanompon'i Kritsy tanteraka
« Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. » (Salamo 71:16)
antsoy Kristy hamonjy anao
« Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy. » (Salamo 71:12)
avoty ny taranakao
« Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. » (Salamo 71:18)
TE-HAMPISEHO FAHOMBIAZANA @ ALALANAO NY TOMPO !
MAHEREZA!

HOTAHIANA NY ASANAO OLON’I KRISTY

Ankino @ Tompo ny asanao
« Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; » (Nehemia 2:20a)
tonony @ anaran'i Jesoa Kristy fa tsy hahomby ny sakana rehetra
« ...fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana akory, aty Jerosalema. » (Nehemia 2:20b)
ho vita io
« Dia vita tamin'ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin'ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin'ny volana Elola. » (Nehemia 6:15)
ary ho gaga ny hafa
« Ary rehefa ren'ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitàna izany asa izany. » (Nehemia 6:16)
MINOA!
SAHIA MANAO DINGANA HITONDRA FANOVANA !

EFA VOATENDRY HO OLO-KENDRY IANAO RY MALAGASY

Fampiharana ny hoe:Tsy misy afenina izay tsy hiseho
«... fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. » (Matio 10:26b)
ny fahendrena Malagasy hoe:Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha!

AROVY MBA TSY HO VERY NY HOSOTRA MENDRIKA ANAO !!!
MAHEREZA .